Ny alakamisy 23 jolay taona 2026 teo iny, tokon’ny tamin’ny 9 ora maraina no nanatanterahana ny fankalazana 17 taona nijroan’ny fiangonana Rhema International Maevatanàna, ao amin’ny fokontan’Anosikely Avaratra. Nandritra izany no nisian’ny fotoam-bavaka lehibe, notarihin’ny filoha mpanorina ny fiangonana Rhema eto Madagasikara sy ny Pasitera Rajaoferison Jacques Telesphore filoha mpitarika ny fiangonana Rhema ato anatin’ny faritra Betsiboka. Tonga nanatrika ny fotoan-dehibe tsy hay hadinoina teto, ireo tomponandraikim-panjakana isan-tsokajiny aty an-toerana. Nanontrana ireo mpino sy ny lanonana fankalazana ny faha 17 taonany fiangonana Rhema International Maevatanàna, ihany koa ny Pasitera Yves ao amin’ny Rhema vadin’ny zanak’ondry Mahajanga, ary ny pasitera ao amin’ny fiangonana Rhema any amin’iny faritra Ihosy iny. Taorian’izay, dia notokanana ny takela-bato fahatsiarovana. Naharitra dimy andro teo ny fankalazana nisy tao amin’ny fiangonana Rhema International Maevatanàna. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra ny anton’ny isa 17 hoy Apôtre Randriamamdinby Michaël Daniel filoha mpanorina ny fiangonana Rhema eto Madagasikara, fa manome isa 08 izay midika ho fanombohana vaovao indray, ka notsongaina tao anatin’ny andinin-tsoratra masina Hagay 2:9.
Ratantely


