- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Nisandoka ho ben’ny tanana mba hisolokiana kolonely

Maevatanana : Nisandoka ho ben’ny tanana mba hisolokiana kolonely

Fahasahiana mihoam-pampana ny an’ity olon-dratsy iray izay tra-tehaky ny zandary tany amin’iny faritra Betsiboka iny. Nilaza ny tenany ho Ben’ny tananan’i Maevatanana mantsy ingahirainy ary saika hisoloky manamboninahitra iray avy eo anivon’ny zandary. Ela nitoratorahana anefa …

Afakomaly alina tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any no natao sarika am-pandriana tao Ambondromamy ilaikely ity, taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ireo mpitandro filaminana. Tsy nisy afa-tsy antso an-tariby mantsy no nifampiresahan’ity tovolahy mpisoloky ity sy ireo olona lasibatra. Fantatra mantsy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny namana any an-toerana fa ankoatr’ilay manamboninahitry ny zandary dia tafaroboka tao anatin’ny haratony kosa ny tompon’andraikitry ny fampianarana iray any amin’ny kaominina Mahazoma distrika Maevatanana ihany. Ity farany no nataony jono hanelanelana ny fisolokiana nataony. Niainga tamin’ity farany mihitsy aza ny ahiahy rehetra nahafahan’ireo mpanao fanadihadiana nisambotra ilay tena atidoha tao ambadik’izany fisolokiana goavana izany.

Marihana, fa vola iray tapitrisa ariary no saika nalain’ity tovolahy ity am-pitaka tany amin’ilay manamboninahitra rehefa nilaza ny tenany ho ben’ny tananan’i Maevatanana izy ary nilaza fa hoe “ mila vonjy fa marary mafy any Mahajanga ny zanany”. Mazava ho azy, an-tariby ny resaka teo ka dia nanaiky ny hanome ilay vola ilay lasibatra. Olon-kafa indray anefa, vadin’ilay tompon’andraikitry ny fampianarana no tonga tany an-tranon’ilay kolonely haka ilay vola, ka nanomboka teo ny ahiahy rehetra. Vao mainka voamarina fa fisolokiana ilay tranga rehefa tena azo an-tariby ihany koa ilay tena Ben’ny tanana tao an-toerana. Nanomboka teo moa ny fanadihadiana rehetra ka nahafahana nisambotra an’ingahy ben’ny tanana sandoka tao Ambondromamy ny alarobia alina teo io. Nentina natao famotorana any amin’ny biraon’ny zandary ity olon-dratsy ity hahafantarana izay mpiray tsikombakomba taminy, izay nahafahany nahazo ilay laharan’ireo tompon’andraikitra isanisany ireo. Voalaza, fa efa  maro tokoa no voany tamin’izany fangataham-bola am-pitaka izany.

Ratantely / m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici