- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanána : Nisitraka « Titre foncier faobe » ny mponina miisa 260

Maevatanána : Nisitraka « Titre foncier faobe » ny mponina miisa 260

Tonga teto amin’ny renivohitry faritra Betsiboka ny Ministry ny fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany, ny Jeneraly de division Lylyson René de Roland, izay nanatanteraka fizarana « Titre foncier » faobe ho an’ireo vahoaka miisa 260. Izany dia natrehan’ireo tompon’andraikitra maro isan-tsokajiny sy ny solombavam-bahoakan’i Madagasikara, voafidy tany amin’ny disitrakan’i Mandritsara, Befandriana Avaratra, Bealanana, Ambatoboeny, Kandreho, Maevatanàna, sy ireo delegasionina avy any Antananarivo, niaraka tamin’Atoa minisitra. Notanterahana tao anatin’ny fefiben’ny faritra Betsiboka ny lanonana tsy manam-paharoa, voalaza etsy aloha, ny andron’ny Zoma faha 22 May taona 2026 teo iny. Nolazain’Atoa Minisitra tompon’andraikitra eo amin’ny sehatry ny fananantany nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony fa atao petan-drindrina ny sarany fanoratana tany eny anivon’ny sampandraharahan’ny fananantany manerana an’i Madagasikara manomboka izao. Nohamafisin’ity farany ihany koa fa ireo tany misy trano sy tanim-pambolena, ao amin’ny « Commune Urbaine rehetra », dia 20 Ariary ny metatra, raha toa ka any amin’ny kaominina ambanivohitra indray, ho an’ny resaka tany sy tanimbolo, dia 05 Ariary kosa ny metatra tora-droa, ka tsy tokony hisy hihoatra izany ny vola haloha. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa efa in-telo amin’izao no nahitana ny fizarana « Titre foncier faobe » tato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra, ka hezahina hipaka any amin’ireo kaominina rahavavy ny hetsika etsy ambony.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici