Notanterahina ny alatsinainy lasa teo ny fivoriamben’ny dinam-pokonolona niaraka tamin’ny OMC: ( Organe Mixte de Conception,) tao amin’ny biraon’ny prefektiora eto Maevatanàna. Nisy ny fandraisam-pitenena teo amin’ireo roa tonta mba hoentina indray hanatsarana ny fiaraha-miasa sy hamongorana ny asan-dahalo izay somary mitady hahazo laka tato natin’ny faritra Betsiboka. Nandritra izany no nilazan’ny prefetn’i Maevatanàna fa ho hentitra ny ady atao amin’ny kolikoly mikasika an’ity resaka asan-jiolahy ity. Eo amin’ireo laharam-pahamena ankapobeany dia nasongadiny ny hamerenana ny fitokisan’ny vahoaka indray amin’ny dinam-pokonolona. Mba hahazoana vokatra tsara azo tsapain-tanana sy azo refesina ary mipaka avy hatrany any amin’ny vahoaka. Hamafisina ny fametrahana amin’ny laoniny ny « dina, » mba tsy ho gaboraraka tahaka ny teo aloha. Lamina maty paika no hatao hamongorana ny fakana an-keriny ary tsy hamindrana fo izay tafiditra ao anatin’izany. Ezahina, hoy izy, ny fanajana ny soatoavina mahaolona sy ny zon’olombelona eo am-panatanterahana ny asan’ny dina, mba hialana amin’ny tsy tokony hataony. Manomboka anio, hoy hatrany prefet, dia hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ireo antokon-draharaha hafa ao anatin’ny sehatry ny fandriam-pahalemana, toy ny tafika, ny zandary, polisy, fitsarana sy ireo mpiara-miombona antoka hafa. Taorian’izay dia nisy ny fifampizana ny laharam-pindain’ireo mambra ao amin’ny OMC, izay nomena an’ireo ekipan’ny dinam-pokonlona ato amin’ny faritra Betsiboka, mba hisian’ny fiaraha-miasa matotra.
Ratantely