Raha amin’ny alina no matetika andrenesana fanafihana ny ato amin’ny disitrikan’I Maevatanàna. Dia efa niova indray ny fomba fiasan’ireo dahalo tany amin’ny tanàna antsoina hoe Bemanojona, fokontany Merimandroso, kaominina Mangabe, ankehitriny. Andro maraina tokony ho tamin’ny dimy ora no tonga nanafika tany an-toerana ireo malaso miisa 70 niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika, toy ny basim-borina sy kalaky. Ny marainan’ny Atalata 14 Aogositra lasa teo no nitrangan’izany fanafihana izany. Trano maro indray no voatafika tamin’izany. Niezaka nanohitra ihany ny fokonolona, ka naratra voatifitra ny efatra tamin’ireo olona teo an-tanàna. Omby maromaro tsy voafaritra isa no azon’ireo malaso, ary vehivavy telo no nalain’izy ireo natao takalon’aina, hoy ny loharanom-baovao azonay hatrany. Efa tany amin’ny dimy kilaometatra nitondran’izy ireo izany vao navotsotra ireo vehivavy, fa ny omby ihany no noentin’izy ireo nanaraka azy. Ireo olona efatra naratra voatifitra kosa efa nahazo fitsaboana sahaza azy eny amin’ny hopitalibe Morafenokely Maevatanàna. Manoloana ny firongatry ny asan-dahalo mahazo laka ankehitriny ato amin’ny disitrikan’I Maevatanàna, izay toa tsy misy fanefitra intsony, dia tsy misy olona intsony any amin’io tanaànan’I Bemanojona io, fa lasa nitsoaka any amin’ny tanàna manodidina ny fokonolona noho ny tahotra ireo dahalo. Misy amin’izy ireo no nitsoaka any Mahajanga sy Antananarivo, fa ao koa ireo niakatra eto Maevatanàna an-tampon-tanàna. Manao antso avo amin’ireo tompon’anadraikitra ireo mponina, mba hijery azy ireo mba hiverenan’ny fandriam-pahalemana any an-toerana indray.
Ratantely