- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Olona iray maty voatifitry ny dahalo

Maevatanana : Olona iray maty voatifitry ny dahalo

Olona iray no maty voatifitry ny dahalo, raha ny iray hafa kosa naratra voatfitra. Ireo no vokatry ny asan-dahalo niseho tao Andegilava, fokontany Andranofasika kely, Kaominina Ambalajanakomby, disitrikan’i Maevatanàna, ny Alahady 28 Janoary lasa teo, tokony ho tamin’ny 1 ora folakandro latsaka kely. Araka ny fanazavana voaray tamin’ Atoa Armand Zanelisy Lietinà-kolonely no sady lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria eto Betsiboka, dia dahalo fito lahy nitondra basim-borona iray no nangalatra omby enina tany an-toerana.Niatsinana ny dian’omby. Raikitra avy hatrany ny fanarahan-dia nataon’ireo vatan-dehilahy teo an-tanàna niaraka tamin’ny fokonolona manodidina ny fokontany voatafika. Tamina tanàna kely iray tsy lavitr’ ity toerana nisehoan’ny fandrobana no nifankatratra ny roa tonta. Teo no nisian’ny fifampitifirana teo amin’ny mpangalatr’ omby sy ny mpanara-dia efa naharitra minitra maromaro.Mpanara-dia roa no votifitra, ka maty ny iray raha naratra mafy kosa ny iray. Ary voatery tsy maintsy nandositra ny fokonolona no sady nampandre antso an-telefaonina ny mpitandro ny filaminana. Nidina tany an-toerana malaky ny Zandary nanao ny fizahana sady nanara-dia, ka efa nandositra ny dahalo vao nahita ny mpitandro ny filaminana, ary mbola lasan’izy ireo ihany ny omby enina, hoy ny fampitam-baovao voarainay tamin’ny lehiben’ny Zandary hatrany. Mbola mitohy kosa ny fikarohana iireo dahalo tafaporitsaka miaraka amin’ny omby nentiny.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici