- Publicité -
dimanche, septembre 13, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Olona roa no naratra voatsatoka antsy

Maevatanàna : Olona roa no naratra voatsatoka antsy

Ny vaovao voaray no nahalalala, fa vehivavy iray sy lehilahy iray hafa no naratra voatsatok antsy ny harivan’ny alarobia faha-22 jolay taona 2026 teo iny, tokony  ho tamin’ny 06 ora sy sasany tany ho any, tao amin’ny tanànan’Ambodimadiro, fokontan’Anosikely Avaratra, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra. Raha ny vaovao marim-pototra azo hatrany no tantarana, dia avy nandeha nivarotra tao an-tampontsenan’i Maevatanàna ny renim-pianakaviana iray no nahatsikaritra tovolahy iray, efa andro maro nanara-maso azy. Tamin’izay enefa dia nijanona nividy entana ity farany no namoaka ny antsy teo am-pelatanany nalaky ny mpanao ratsy, sady nanantsatoka izany taminy. Soa ihany fa nisy paoketra nentina niarovana ny antsy tsy ho teny aminy. Rehefa lavo tao ambany ilay Ramatoa dia niantso vonjy ka nisy lehilahy mamonjy azy nalaky. Nifatratra tamin’ity lehilahy ity indray ny antsy, ka niteraka ratra ho azy. Nitsoaka nandositra tsy nitondra na inona ny tovolahy nahavanon-doaza. Nentin’ny fokon’olona teo amin’ny manodidina namonjy ny toeram-pitsaboana ao amin’ny  » CHRR Morafenokely  » izy roa naratra, vokatry ny tsatoka antsy. Tonga teny amin’ny toerana nisehoan’ny loza ny polisim-pirenena miasa eto Maevatanàna, taorian’ny fampandrenesana voarain’izy ireo, ao anatin’ny fanadihadiana sy manohy ny fanarahan-dia.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici