- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Renim-pianakaviana lasan’ny dahalo an-keriny

Maevatanana : Renim-pianakaviana lasan’ny dahalo an-keriny

Fakàna an-keriny indray ! Niseho ny alahady lasa teo tany Maevatanana. Renim-pianakaviana iray, tompona fivarotana tao an-toerana no lasan’ireto dahalo, mirongo basy mahery vaika.

Tokony ho tamin’ny fito ora tany ho any no nitranga ity asan-dahalo narahana fakàna an-keriny ity, tao amina tanàna iray antsoina hoe Nosikely, ao amin’ny kaominina Tsararano. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia nisy teo amin’ny 13 lahy teo ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io, izay marihana fa samy manao fanamiana mpitandro filaminana avokoa. Basy mahery vaika, « kalach » roa niaraka tamin’ny basim-borona sy ny zava-maranitra isan-karazany no nentin’izy ireo nanafika ity tanàna ity. Raha vantany vao niditra ny tanàna izy ireo, hoy hatrany ny vaovao dia nanapoaka basy. Hany ka nandositra sy ny nilefa ary nihidy aman-trano avokoa ireo mponina tao an-toerana. Mora tamin’ireto olon-dratsy araka izany ny niditra an-keriny tamin’ilay trano fivarotana. Nibata ilay ramatoa, izay marihana fa naratra teo amin’ny tongony, niaraka tamin’ny entana sasantsany izay zakan’izy ireo ary nandositra avy teo. Tamin’izany fitsoahana izany, dia mbola nirefodrefotra ihany koa ny basy, nentina nampitahorana ireo fokonolona tsy hanara-dia azy ireo.

Fotoana fohy taorian’io no tonga tao an-toerana ny zandary misahana iny faritra iny, ary avy hatrany dia nanao ny fanarahan-dia, niaraka tamin’ireo vatan-dehilahy maromaro teo amin’ilay tanàna. Nandritry ny alina dia nitohy hatrany izany fanarahan-dia izany. Ny alatsinainy maraina no nifanehitra ny sasantsany tamin’ireto olon-dratsy sy ireo mpanara-dia ka raikitra teo ny fifandonana. Tsy naharesy tosika ny tifitr’ireo mpanenjika ireo nenjehina ka nanao tari-dositra nitsoaka namonjy ireo namany efa lasa lavidavitra. Nampitombo ny hafainganam-pandehany ireo mpitandro filaminana niaraka tamin’ireo mpanara-dia ka tsy lasa lavitra ihany koa dia tratra indray ireo olon-dratsy ary raikitra teo ny fifandonana faharoa. Samy tafaporitsaka daholo ihany ireo dahalo tamin’io fotoana io, namela ilay ramatoa izay tsy afaka intsony noho ny ratra nahazo azy, tsy lavitra teo. Avotra soa aman-tsara araka izany ilay renim-pianakaviana ary efa tafaverina any an-tokantranony. Mbola mitohy kosa ny fanenjehana sy ny fikarohana ireo mpaka an-keriny.

m.L / Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici