- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Sakoroka teny am-panaovana baolina : mpanazatra sy mpilalao iray naratra...

Maevatanàna : Sakoroka teny am-panaovana baolina : mpanazatra sy mpilalao iray naratra mafy voatora-bato

Efa matetika no andrenesana olana miafara amin’ny fandratrana ny eny ambony kianja filalaovana baolina kitra ny eto amin’ny renivohitry ny faritra Betsiboka. Ny fanatajahan-tena mantsy eto amin’ny tany sy ny firenena dia entina mitaiza vatana sy ny ara-panahy, ary ihany koa no ialana voly mihtsy. Ity zava-niseho teny amin’ny kianjan’ Ambatofotsy ity dia somary nahagaga sy nanaitra ny maro raha ny fitantarana etsy aloha hoe efa fanaon’ny mpilalao mihitsy ny mifamono sy mifandratra. Ny alahady teo izao dia nahitana mpilalao iray sy mpanazatra iray avy amin’ny andaniny sy ny ankilany ireo naratra ireo. Rehefa nitarika tamin’ny isa 2-1 ny ekipany « Ascuf » nanoloana an-dry zareo  » Antsakoabe », tany amin’ny fizaram-potoana faharoa dia nisy ny fahadisoam-pitsarana nataon’ny mpitsara afovoany, raha ny fahitan’ireo mpilalaon’Antsakoabe, ka nanomboka teo ny disadisa teny ambony kianja. Naharitra ora maro ny fiatoan’ny lalao tamin’io. Teo no raikitra ny sakoraka, ary izao niafara tamin’ny tora-bato izao, ka mpilalao iray avy ao amin’ny ekipan’Antsakoabe no naratra ary mpanazatra avy amin’ny Ascuf kosa naratra vaky loha nandritra izany. Maizina ny tany aman-danitra teo. Soa ihany fa nalaky tonga ny polisy avy eto an-toerana fa raha tsy izay dia nahitana fatin’olona angamba ny fifandona teo anatrehan’ireo mpilalao roa. Efa nahazo fitsaboana eny amin’ny hopitaly be moa ireo naratra ireo.

Ratantely

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici