- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna tampon-tanàna : Ankoatra ny dahalo, mamely mafy ihany koa ny delestazy sy...

Maevatanàna tampon-tanàna : Ankoatra ny dahalo, mamely mafy ihany koa ny delestazy sy ny famatsian-drano

Ankoatra ny asan-dahalo izay efa makalilo ny sofina ny mandre azy dia , mbola mamely mafy ihany koa ny delestazy sy ny rano. Ny alakamisy tolakandro hatramin’ny zoma maraina teo no fantatra fa maro ireo fokontany niaina tao anatin’ny delestazy teto an-tampon-tanànan’i Maevatanàna. Tsy fantatra mazava ny tena antony. Taorian’ny fitarainana nataon’ny mponina, dia mbola miana amin’ny tsy fisian-drano ny ankamaroan’ny olona aty an-toerana amin’izao. Raha ity olana makasika ny fahatapahan-drano ity no resahaina dia misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro izany. Efa ho iray volana izao no miaina tao anatin’ny fijaliana rano ny vahoaka. Matetika amin’ny hariva no tapaka ary maraina na ny tolakandro izay vao miverina izany. Tsy mbola misy ny fiovana na teo aza ny fitaraina. Rehefa tsy ampy rano dia tsy maintsy manakarama olona haka rano amin’ny sarany 1000 Ariary ny iray daba mavo, hoentiny bajaj sy sarety azy, avy eny Antsakoamamy sy Ikopabe. Hatreto aloha dia sahirana avokoa ireo olona miaina amin’ny faritra ahitana fahatapahana lavareny ity. Henjana ny hilaharana mandritra iverenan’ny rano. Jerena mialoha ny  » robinet » ary efa hasiana fitoeran-drano mitaty izany sao miverina tampoka amin’ny ora tsy fantatra.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici