Nitrangan’ny fanafihana mitam-piadiana indray ny tao amin’ny zana-bohitra Morafeno, fokontan’Ambodimanary, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra, ny alin’ny alatsinainy faha-29 jona taona 2026 teo, tokony tamin’ny 11 ora sy sasany tany ho any, raha ny angom-baovao azo. Jiolahy dimy nirongo basim-borina no voamarina fa nanafika sy naka an-keriny omby 16 tao am-bala. Nandritra ny fidiran’ireo malaso nanangona ny omby no nisy lehialhy iray sendra nivoaka ny tranony, ka notofirin’ireo jiolahy tsy nisy hataka andro hatrany, ka naratra voan’ny bala ny feny. Taorian’izay dia nitsoaka nandositra nitondra ny omby ireo tsy mataho-tody ka raikitra ny fanarahan-dia sy ny fifanjevona tany an-tsaha, teo amin’ny tovolahy iray vao 19 taona sy ny dahalo. Maty voatifitra nandalovan’ny bala ny maha-lehilahy azy. Raha ny fanazavana voaray hatreto, dia omby 14 no tafaverina, ary mbola any am-pelatanan’ ireo dahalo kosa ny omby roa. Efa manaraka fitsaboana ao amin’ny » CHRR Maevatanàna » ny naratra voatifitra. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra, fa maneho ny ahiahy amin’ity tranga ity ny mponina ao an-toerana ka miantso ny tompon’andraikitra handray ny fepetra maharitra sy hentitra mba hiadiana amin’ny tranga tsy fandriam-pahalemana mbola mampikaikaika azy ireo. Ny marainan’ny talata faha-30 jona taona 2026 teo vao tazana teny amin’ny toerana nisehoan’ny loza ny polisim-pirenena miasa eto Maevatanàna an-tapon-tanàna.
Ratantely





