Trano bozaka 60 no may nirehitra, ny alatsinainy teo tokony tamin’ny 8 ora alina, tao Anosibolamena fokontany Andranobevava, Kaominina Antanimbary, disitrikan’i Maevatanàna. Trano iray no niandohan’ny afo ary nitatra tamin’ny teo akaikiny, satria bozaka ka mora nirehatra. Tsy nisy ny aina nafoy sy ny naratra, fa ny entana tamin’ireo trano ireo kosa, dia tsy azo noraisina. Araka ny fanzavana azo dia afon-kitay tsy maty tao amin’ny tokantrano iray no nitarika ny afo ary nitatra tamin’ireo trano bozaka teo akaikiny. Nandeha namonjy asa teny an-tobim-bolamena ny olona tao amin’ilay trano, ka hadinony namono ny afo. Ny setroka efa nidonka be sy ny kotaban’ny olona teo amin’ny manodidina no nanaitra ny rehetra. Samy niezaka nanavotra aina avokoa ny olona tao amin’ireo trano nanoloana izany. Tao ihany koa ny namoaka ny entana, saingy tsy azo navotana izany noho ny fitaran’ny afo malaky. Nikoropaka avokoa ny olona nentin’ny fahamaizina. Samy tao anatin’ny asam-bolamena teny an-toby izay 100m miala io toerana io ny ankamaroan’ny olona, no taitra tampoka tamin’ny firehetan’ny trano. Ka nisy ny tsy naharay na inona na inona intsony. Niezaka namono ny afo ihany ny mponina. Saingy vetivety foana dia levona ireo trano ireo. Raha ny fanazavana voaray avy tamin’Atoa Herimalala Andrianirna, kaomiseran’ny polisim-pirenena eto Maevatanàna, izay tonga nidina tany an-toerana, dia olona 120 no tsy manan-kialofana, ary eo amin’ny roapolo tapitrisa Ariary eo ny fahasimabana, hoy hatrany ity farany.
Ratantely