- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilRégionsMaevatanàna : Tsy nanadino ireo mpanasa lamba sy ny tanora mpitia kitra...

Maevatanàna : Tsy nanadino ireo mpanasa lamba sy ny tanora mpitia kitra vehivavy ny lehiben’ny faritra Betsiboka

Ny zoma 17 jolay taona 2026 teo iny no tonga nandom-baravarana tamin’Atoa lehiben’ny faritra Betsiboka, ireo fikambananan’ny mpanasa lamba sy ny tanora mpitia kitra vehivavy ao amin’ny tanànan’Ambodimadiro sy ny fokontan’Anosikely Avaratra, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna Ambonivohitra, izay nangataka fanampiana ara-pitaovana taminy. Tsy niandry ela ny tomponandraikatra voalaza etsy ambony, fa nanolotra fampitaovana toy ny fanamina hoentina hilalaovana baolina kitra, gaodasy, baolina kitra, ary koveta avy hatrany. Nampantena tamin’ireo mpanasa lamba ihany koa ny lehiben’ny faritra Betsiboka, ny amin’ny fanamboarina tsy ho ela ny  » Bassin fanasana lamba,  » ho azy ireo. Nisaotra tamin’ny fanomezana fampitaovana ny olona nisitraka izany, satria tena voafaritr’izy ireo fa tena manampy vahoaka sy mijery ny filan’ny tsirairay tokoa ny fitondram-panjakana mijoro ankehitriny, izay hita taratra amin’izao fihetsika mendri-piderana nataon’ny lehiben’ny faritra izao.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici