- Publicité -
samedi, septembre 12, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Vehivavy lehibe tratra nangalatra silipo valo, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka.

Maevatanàna : Vehivavy lehibe tratra nangalatra silipo valo, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka.

Manana ny teti-dratsy fanaony manokona mandritra ny asa ratsiny ity vehivavy lehibe tra-tehaka nangalatra silipo miisa valo ity. Ny Alakamisy lasa teo, no fantatra fa vehivavy lehibe iray no tratra, tena an-tsena, tao amin’ny fokontany Andranomangatsiaka, ato anatin’ny Kaominina Maevatanàna voalohany. Noho ny firongatry ny halatra lamba mahazo an’ireo mpivarotra ary mampihena ny vola miditra amin’ny kitapom-bolan’izy ireo, dia tezitra ny olana raha nahita an’ity vehivavy lehibe nitondra silipo halatra ity, ka saika niharan’ny fitsram-bahoaka. Taorian’ny fifampiresahana tamin’ilay tompona silipo very, dia nasaina nosoloina ny vidin’ireo silipo valo, ary avy eo dia nalefa nody ihany ilay vehivavy lehibe.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici