Voafen’ny polisy ny fitandronana filaminana sy ny fifamoivoizana. Azo lazaina fa tratry ny tanjona napetraky ny polisim-pirenena eto Maevatanàna an-tampon-tanàna, amin’ny ahafahan’ny rehetra mankalaza ny fetin’ny paska ao anatin’ny filaminana ho lavitry ny loza. Raha ny fanazavana voaray tamin’ny » Commissaire De Police » hatrany moa, nandritra ny fetin’ny paska, dia tsy nahitana olona maty ny teto Maevatanàna an-tampon-tanàna sy tsy nisy lozam-pifamoivoizana. Noho izany dia nahitam-bokan’ny fanaraha-maso ny fifamoivoizana teny amin’ny arabe, ka bajaja 15 sy fiara taksiborosy iray, niampy môtô iray no voatery tsy maintsy nampidirina ambalam-pamonja, nohon’ny fandikan-dalàna sy tsy fahatombanana eo amin’ny hazavana, ary fimamona am-pamilina teo amin’ny mpitondra togon-droa na môtô. Nisy ihany koa ny fisoroana nataon’ny polisy teny amin’ elakelan-trano, ka nahitana olona niisa fito nampiahiahy, izay noentina namonjy biraon’ny polisy, saingy rehefa hita nazava sy naterin’ny havany ny karapanon-drom-pirenenan’izy ireo, dia navotsotra naverina eny amin’ny toeram-ponenany ireto farany. Tsy naharay fitarainana makasika ny vaky trano ihany koa ny ny teo amin’ny biraon’ny kaomisarian’ny polisim-pirenena htramin’izao hanoratanay ny lahatsoratra izao Raha ny fazavan’ny kaomisera taminay hatrany, dia mbola nahitana olona iray nitsirara tamin’ny tany, ny teny amin’ny fokontan’Antanambao, ato anatin’ny kaominina ambonivohitran’ i Maevatanàna, vokatry ny hamamona diso tafahoatra, ary naterin’ny polisy teny amin’ny hopitalibe no efa nahazo fitsaboana sahaza sy nantsoina ihany koa ny fianakaviany. Raha fitinina izay rehetra izay, dia nilamina amin’ny an-kapobean’ny fankalazan’ny fetin’ny paska hoan’ny teto Maevatanàna an-tampon-tanàna no tratra ihany koa ny tanjona amin’ny teny hoe: Paska hieren-doza.
Ratantely