- Publicité -
mercredi, juin 25, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Votsotra ilay zazavavy 13 taona nalain’ny dahalo an-keriny

Maevatanana : Votsotra ilay zazavavy 13 taona nalain’ny dahalo an-keriny

Ny sabotsy maraina teo no fantatra, fa navotsotr’ireo olon-dratsy, ilay zazavavy kely 13 taona, nisy naka an-keriny tao amin’ny kaominina Tsararano, Maevatanana ny zoma lasa teo.

Raha ny fampitam-baovao avy tamin’ny namana avy any an-toerana, rehefa nisy ny fifandresen-dahatra teo amin’ireo fianakaviana sy ireo olon-dratsy mpaka an-keriny, dia tapaka fa vola mitentina enina hetsy sy sivy tapitrisa ariary no naterina ho azy ireo, ho takalon’ny ain’ity zazavavy ity. Marihana, fa vola mitentina 500 tapitrisa ariary no notakian’ireto olon-dratsy ireto tam-boalohany, raha naka ity zazavavy ity izy ireo. Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Antanetikely, ao amin’ny kaominina Ambalajakomby no nifanarahan’izy ireo fa hanaovana ny fifanakalozana. Nizotra nilamina izany ary votsotra soa aman-tsara ilay ankizivavy ; izay salama tsara raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana hatrany.

Raha tsiahivina, dia ny zoma maraina teo no nanafika tao amin’ilay tanana antsoina hoe Bevilany ireo malaso am-polony, nirongo basy mahery vaika. Nivantana avy hatrany tao amin’ilay tokantranona mpandraharaha izy ireo, rehefa avy nanao tifitra vary raraka, hampitahorana ireo fokonolona. Nisy olona iray namoy ny ainy tamin’io fotoana io, izay fantatra fa  rain’ity zaza lasa an-keriny ity, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Iray andro taorian’io izany, dia izao votsotra izao ilay ankizivavy, rehefa natao ny adivarotra ary io nilatsaka ho sivy tapitrisa ariary mahery io ny vola sandan’ny famotsorana azy. Etsy andanin’izay kosa, dia herinandro katroka omaly no nitrangan’ilay fanafihana niharo fakàna an-keriny tao Andriba. Mbola tsy votsotra hatreto kosa ilay mpandraharaha lasa tamin’io. Mbola mitohy hatrany kosa ny fikarohana azy ataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany.

m.L / Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici