- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Zandary 24 no nampiakarina galona

Maevatanàna : Zandary 24 no nampiakarina galona

Notanterahana ny zoma 17 jolay taona 2026 teo, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina tany ho any ny fametrahana galona vaovao ho an’ireo Zandary 24, miasa ato anatin’ny vondron-tobim-pileovana Betsiboka. 03 tamin’izy ireo no nakarina sokajy  » Adjudant chef,  » ny 04 kosa nakarina  » GP2C, raha ny 03 nakarina Zandary kilasy ambony, ary 11 tamin’izany no nakarina Zandary kilasy voalohany. Niarahaba azy ireo manokana ny lehiben’ny faritra Betsiboka Atoa Tombozara, nanambara nanao hoe: tsy mora ny lalana nodiavinareo, ary mbola hodiavinareo. Satria ianareo ny fitaratra ho an’ny mpiara-miasa sy ny vahoaka amin’ny fitondran-tenanareo. Ny fahatsinareo ny hamiratra ny hasin’ny Zandarimariam-pirenena, hoy hatrany ity farany nandritra ny fandraisam-pitenena nataony no nanolorany vola 700.000 Ariary ho mariky ny fisaorana sy ny fampirisihana amin’ny adidy atao eto amin’ny tany sy ny firenena Malagasy, ho azy ireo.Tonga nanome voninahitra ny lanonana fametrahana galona teto ny tale kabinetran’ny filoha Lefitry ny Antenimerampirenena ato anatin’ny faritanin’i Mahajanga sy ireo tomponandraikim-panjakana maro isan-tsokajiny aty an-toerana. Ny lanonana nisy kosa, dia teo ambany fitarihan’ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena Betsiboka.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici