Ny eo mbola tsy hita, ny hafa misosoka ihany koa ! Nitrangana fakàna an-keriny indray tany amin’iny distrikan’i Maevatanana iny ny omaly vao maraim-be. Zazavavy iray, zanaka mpandrahahara eo an-toerana no lasan’ireo dahalo. Nandritra ny fifanjevoana dia olona iray no maty voatifitr’ireo olon-dratsy.
Lasa zary fanaon’ireo dahalo any amin’iny faritra Betsiboka iny indray ity maka an-keriny mpandraharaha na fianakaviana mpandraharaha any an-toerana. Omaly tokony ho vao mangiran-dratsy mantsy dia andian-dahalo maromaro no nanafika ny tananan’i Bevilany, ao amin’ny kaomina Tsararano, tanana tokony ho am-polony kilaometatra maro, mandeha lalan-tany mitsofoka avy eo amin’ny kaominina 5×5, amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny. Maromaro ireo olon-dratsy, raha ny fampitam-baovaon’ny namana avy any an-toerana, ary nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, toy ny « kalach » sy ny basim-borona ary zava-maranitra isan-karazany. Tifitra variraraka avy hatrany no nidiran’ireto olon-dratsy tao amin’ilay tanana ary nivantana tao amin’ilay tranona mpandraharaha izy ireo. Sendra ny hery tsy mitovy ny an’ireto mpanafika sy ny voatafika ka vitan’ireto mpaka an-keriny ny asa ratsiny nokendreny. Lasan’izy ireo tany ny zanak’ity mpandraharaha ity, izay zazavavy vao 13 taona monja. Nentina nampitahorana ireo fokonolona raha sendra misy manaraka dia mbola nitifitra ihany izy ireo. Mazava ho azy, eo anatrehan’ny zava-nisy dia samy niepoka tsy nisy nivoaka avokoa ireo mponina. Na izany aza anefa nahavoa olona iray ny balan’ireo jiolahy. Namoy ny aina avy hatrany ity voatifitra ity. Raha ny vaovao azo hatrany, omaly ihany dia efa nifandray tamin’ireo fianakaviana ireo mpaka an-keriny ary mitaky vola 500 tapitrisa ariary ho solon’ny famotsorana ity ankizivavy ity. Efa nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana.
Fa raha mahakasika izay resaka fakàna an-keriny izay ihany dia fantatra fa mbola tsy votsotra ilay mpandraharaha nalain’ny jiolahy tao Andriba, ary nitakian’izy ireo vola 800 tapitrisa ariary. Marihana, raha ny vaovao nampitaina hatrany, fa ny tarik’ilay lehiben’ny jiolahy mampitondra faisana ireo mponina any amin’iny faritra iny, fantatra amin’ny anarana hoe « Del » no tao ambadik’ity fakàna an-keriny tao Andriba ity. Ahiana ihany koa, ho mbola ity lehiben’ny jiolahy ity hatrany no tompon’antoka tamin’ity tranga faharoa ity.
m.L / Ratantely