- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMagro Behoririka : Bolongam-by miendrika grenady, hitan’ny olona

Magro Behoririka : Bolongam-by miendrika grenady, hitan’ny olona

Hatairana, tahotra, izay no nahazo ireo olona teny amin’iny faritra Magro Behoririka iny omaly maraina. Nahitàna bolongam-by iray, izay manana endrika toy ireny grenady ireny mihitsy mantsy hita teny an-toerana tamin’io maraina io. Nampanantsoina avy hatrany ireo tompon’andraikitra.

Sangy ratsy ve ? Ireo mpamafa lalana hamita ny asany teny amin’iny faritra Behoririka iny no nahita ity bolongam-by ity voalohany. Bolongam-by hafahafa … Tsy fantatra izay nametraka azy aloha hatreto, fa dia vetivety teo dia niely ny feo ary nitangorona ny olona. Nampanantsoina ihany koa ny mpitandro filaminana izay niasa nandamina fifamoivoizana tsy lavitra io toerana io. Ity farany rehefa nandinika akaiky izany, avy hatrany dia niantso ireo tompon’andraikitra mahay manokana ny amin’ny resaka fitaovam-piadiana mety hipoaka. Araka ny fanazavàna azo, rehefa notiliana akaiky tokoa ity zavatra mampiahiahy ity dia toy ireny “grenady” ireny mihitsy saingy efa tsy teo intsony ilay vy fanapoahana azy na “goupille” araka ny fiteny ara-teknika azy ireny. Na izany na tsy izany aza anefa, tsy maintsy noraisina ny fepetra sy ny fitandremana rehetra manoloana izao toe-javatra izao. Tsy fantatra mantsy na tena izy tokoa na sarisariny fotsiny ihany ity bolongam-by hita ity. Efa nentina notiliana manokana any amin’ny sampandraharaha misahana izany moa ity zavatra ity, ary ho angamba ho fantatra tsy ho ela ny valin’izany fitsirihana izany. Efa nosokafana ihany koa ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici