Lanonana tsy manam-paharoa sy nanetriketrika no hita nandritra ny fitokanana ny » EPP Mahabe » taty amin’ny Zap Brieville, ato amin’ny fitaliavam-paritry ny fanabeazam-pirenena Betsiboka nandritra ny Sabotsy faha 25 Jolay taona 2026 teo. Na dia teo aza ny faharatsian-dalana nisy hita, dia tsy nataon’ny lehiben’ny faritra Betsiboka sy ny delegasionina niaraka taminy sakana ny fitsidihana voalohany nataony, ato anatin’ny disitrikan’i Tsaratanàna ho an’ny tapan’ny Atsimo. Noho izany dia notokanana teo anatrehan’ny rehetra tamin’ny fomba ofisialy ny » EPP Mahabe, » izay vokatry ny fiaraha-miasa ny fiadidan’ny tanànan’i Brieville sy ny » Fondation Axian, ny fikambanana SE TENDRE LA MAIN. » Teo ihany koa ny fiaraha-mientana tamin’ireo fokon’olona tao Mahabe no nahafana nahavita izany. Ny faha 15 volana Jolay taona 2025 lasa iny no nanaovana ny ady fototra, saingy efa nampisaina tamin’ny volana Janoary taona 2026 ity tranom-pianarana iray ity, ary izao notokanana izao. Ahitana efitranom-pianarana telo sy mahazaka mpianatra 60 isany avy izany, sady niampy fanamboarana toeram-pihovoana iray sy fiodiovana iray. Raha ny vokam-panadinana tao amin’ny sekoly ambaratonga fototra Mahabe no jerena tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE farany teo, dia nahazo vokatra tsara zato isan-jato ny taham-pahafana. Tonga nanatrika sy niaraka tamin’ny lehiben’ny faritra Betsiboka tamin’ny alalan’ny fitokanana ny EPP Mahabe teto ny solombavam-bahoakan’i Madagasikara, voafidy taty amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna, ireo ben’ny tanàna aty amin’ny tapan’ny atsimon’ny disitrika voalaza etsy aloha, ary ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tsokajiny, mpitandro ny filaminana, solotenan’ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Betsiboka. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra, tsy nitondra tanapolo Atoa TOMBOZARA lehiben’ny faritra Betsiboka, fa nanolotra fampitaovana toy ny: Siny, vilany, koveta, lovia, sotro, kaopy, fanamina fanaovana baolina kitra, baolina kitra ho fananan’ny fokontany Mahabe.
Ratantely


