
Dahalo manodidina ny 20 lahy nitondra basy no naka an-keriny zazavavy miisa roa, 5 taona sy 9 taona tao Andranofoty, fokontany Andranomatavy, kaominina Ankilizato, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Nandritra ny fanafihana ity tanàna ity no nakan’ireo dahalo azy mirahavavy nataon’izy ireo takalon’aina mba tsy hanarahan’ny fokonolona sy ny zandary azy. Vokatr’io, tsy sahy nanaraka ny mpanara-dia mba nialana amin’ny mety ho famonoan’ireo olon-dratsy azy roa kely. Na izany aza anefa, nandray andraikitra ny zandary nanao ny fanadihadiana rehetra momba ity fakana an-keriny ity. Fantatra fa nentin’ireo dahalo tao an-tanikatsak’i Maroalika izy roa vavy ireto ny talata teo. Tonga tany an-toerana ny zandary sy ny fokonolona ka hita navelan’ireo jiolahy tao an-toerana ry zareo. Salama tsy misy maratra ireto farany ary efa nentina any amin’ny biraon’ny borigady Ankilizato. « Navotsitr’ireo dahalo fotsiny izy roa vavy fa tsy nisy vola naloa ary efa nampandrenesina ny fianakaviany. Mitohy hatrany ny fikarohana ireo dahalo ireo », hoy ny fanazavana, ary nanambara ny Kolonely Ramonjanirina Pierre Emilien fa hatao hazalambo ny tambajotran’ny mpaka an-keriny ao amin’ny distrikan’i Mahabo. Ity faritra ity izay anisan’ny faritra mena amin’ny asan-dahalo. Maro ny efa tratra, kanefa raha ity isan-dahalo nanafika farany ity, anisan’ny betsaka hatramin’izay. Mandray andraikitra ny zandary manoloana izany, ary heverina fa hahita vokatra tsy ho ela.
Yv Sam