- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversMahabo : Dahalo naka an-keriny Zandary, telo lahy voasambotra

Mahabo : Dahalo naka an-keriny Zandary, telo lahy voasambotra

Tra-tehaka ny sabotsy maraina teo, tokony ho tamin’ny dimy ora, tao amin’ny zohy fieren’izy ireo tany Soarano, ny telo tamin’ireo andian-dahalo nitam-piadiana naka an-keriny Zandary roa sy olona telo nandritra ny halatr’omby niseho tao Ampandrabe, Kaominina Ankilizato, Distrikan’i Mahabo, ny 27 novambra 2017, ary tsy navotsotr’ireo malaso mihitsy ireo olona dimy voatazona ho takalonaina ireo raha tsy nandoavana  fito tapitrisa ariary. Telo andro taorian’io, rehefa nahazo vaovao ka nanao savahao tao amin’ny Fokontany Soarano sy manodidina ny Kaominina Malaimbandy ny Zandary avy ao Morondava sy ny FIGN, dia nahasambotra olona 21. Natolotra ny « Sections des Recherches Criminelles » Toliara ireo voarohirohy, ka ny 14 tamin’izy no naiditra am-ponja vonjimaika, raha tafatsoaka kosa ny dahalo sasany tamin’ny fotoana nisamborana azy ireo.

Fantatra anefa taty afara, fa niverina tao an-tanàna ireo dahalo nilefa ary nanova anarana, ka notampohan’ny Zandary avy ao Malaimbandy sy Morondava ny toerana nieren’izy ireo tao Soarano, afak’omaly. Rehefa natao ny fizahana sy fisamborana, hita tao ny efatra tamin’ireo dahalo. Raha vao nahita ny mpitandro filaminana ny iray tamin’izy ireo, dia nitifitra avy hatrany, saingy noho ny fahaiza-manaon’ny Zandary, dia lavo ilay olon-dratsy. Malaso iray kosa azo sambo-belona, raha tafaporitsaka nandritra ny fifanjevoana ny dahalo roa; izay mbola karohana fatratra ankehitriny.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici