jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversMahabo : Fifandonana mahery vaika, miaramila iray sy dahalo telo maty

Mahabo : Fifandonana mahery vaika, miaramila iray sy dahalo telo maty

Iray tamin’ireo dahalo voatifitra sy maty, ary nodoran’ireo fokonolona.

Mahamay tanteraka ny resaka tsy fandriam-pahalemana any amin’iny distrikan’i Mahabo iny. Omaly maraina dia nirefodrefotra ny basy. Omby an-jatony mahery teo no lasan’ny dahalo. Velona ny fifandonana teo amin’ireo mpitandro filaminana nahitana ny avy eo anivon’ny tafika malagasy sy ny zandary, ary tetsy ankilany ireo dahalo dimampolo lahy mahery tany ho any. Araka ny angom-baovao azo dia nisy miaramila iray, « Adjudant » miasa eo anivon’ny « Compagnie d’Infanterie Mahabo » lavo. Tetsy andanin’izay kosa, nisy telo tamin’ireo olon-dratsy no voatifitra, ny iray maty teo no ho eo, ny iray hafa nentin’ny namany ary ny iray azon’ny fokonolona ary notaritin’izy ireo sy nodorany teo amoron-dalana.

Tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany maraina tany ho any no nisian’ity tranga ity, araka ny fampitam-baovao azo avy teo anivon’ny tobim-paritry ny zandary ao Mahabo. Tsy lavitra ny tanànan’Ankilimida, ao amin’ny kaominina Ampanihy, no nisian’ity fifandonana ity. Raha ny vaovao azo hatrany mantsy dia hoe tokantrano maromaro tamin’io tanàna io no norobain’ireo andian-dahalo, nirongo fitaovam-piadiana, vao mangiran-dratsy. Vao naheno ny vaovao ireo mpitandro filaminana, niaraka tamin’ireo vatan-dehilahy teo an-toerana dia rafitra avy hatrany nanao ny fanarahan-dia. Tsy lavitra ny tanàna no niandrasan’ireo dahalo ireto mpanenjika azy, ary raikitra teo ny fifandonana. « Nanditra io fotoana io no nahavoa ilay rahalahy avy tao amin’ny tafika. Rotiky ny bala tanteraka ity farany. Na izany aza anefa, nahavoa maromaro tamin’ireo olon-dratsy ihany koa izahay. Ny iray no hita faty teo amin’ny toerana nisian’ny fifandonana fa ny hafa nentin’ireo namany nitsoaka », araka ny fanazavana azo hatrany. Efa tonga any an-toerana moa ireo mpitandro filaminana hafa nanampy tamin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy ary mbola nitohy hatramin’ny omaly hariva izany. Hatramin’io fotoana io, raha ny fampitam-baovao azo hatrany dia mbola tsy nisy latsaka ireo omby teny am-pelatanan’ireo olon-dratsy.

Ny vatana mangatsiakan’ity mpitandro filaminana lavo an-tanim-piadiana ity kosa efa nentina nihazo ny toby nisy azy ary andrasana any an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici