- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversMahabo : Jiolahy mpaka an-keriny, iray maty, iray voasambotra

Mahabo : Jiolahy mpaka an-keriny, iray maty, iray voasambotra

Namaivay ny fifandonana omaly. Tsy nanaiky mora ny fisamborana azy ireo andian-jiolahy nampitondra faisana iny faritra Menabe iny, ka nitifitra tsy tam-pisalasalana ireo pôlisy, tonga nisambotra azy ireo. Nandriaka ny rà. Jiolahy rain-dahiny iray no maty voatifitra, nisy iray azo sambo-belona ary nisy ireo tafatsoaka. Misy toerana, tanàna, izay efa fantatry ny pôlisy fa fieren’ireo jiolahy mpaka an-keriny any amin’iny faritra Menabe iny. Napetraka avokoa araka izany ireo paik’ady rehetra hitsirihana ireo toerana ireo, izay nataon’ny fitaleavam-paritry ny pôlisy ao Menabe, nampian’ny hery vonjy taitra avy ao Morondava. Tanàna maromaro izy ireo, raha ny fampitam-baovao. Nisy ny tao Besara, kaominina Ampanihy, distrikan’i Mahabo. Tao amin’ity tanàna ity no namaly bontana ireo mpitandro filaminana ilay olon-dratsy, rehefa tsy nanaiky mora ny fisamborana azy ka io maty voatifitra io. Nifindra lasy tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Belohahena, mbola ao amin’ny kaominina Ampanihy ihany indray ireo mpisambotra. Nandositra toy tsy teo moa ireo olon-dratsy tao amin’io toerana io raha vao nahita ny fahatongavan’ireo pôlisy. “Navelany teo avokoa ny zavatra fampiasany, toy ny finday, ody gasy sy famaky fampiasa ary kara-panondro sy pasipaoro”, hoy ny fampitam-baovao. Raikitra teo ny fifanenjehana sy ny savahao ny manodidina. Tsy ela akory taty aoriana dia fantatra fa nisy lehilahy iray niafina tao amn’ny tanàna antsoina hoe Amboriky, fokontany Mahabokely, kaominina Mahabo, izy isan’ireo olon-dratsy nitsoaka. Noraisim-potsiny ity farany tamin’izany. Mbola nitohy ihany moa ny hazalambo, saingy voalaza fa tafaporitsaka sy tsy nisy tratra intsony ireo namany. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisarian’i Mahabo moa ity olon-dratsy raindahiny ity, ho amin’ny famotorana. Mbola mitohy sy tsy mijanona kosa ny fikarohana ireo namany hafa any an-toerana. Marihina fa efa jiolahy mpamerin-keloka avy izy ireo, malaza ratsy amin’ny resaka fakàna an-keriny sy fanafihana mitam-piadiana ary efa ela no nokarohin’ny pôlisy tany an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici