- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversMahabo : Tovovavy 16 taona maty notifirin’ny dahalo

Mahabo : Tovovavy 16 taona maty notifirin’ny dahalo

Tsy mionona amin’ny fandrobana ny omby intsony ny dahalo any amin’iny tapany atsimo iny ankehitriny, fa mandatsaka ny ain’ny tsy manan-tsiny. Ny alin’ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 8ora alina, dia tovovavy iray 16 taona izay mpianatra taona voalohan-dry masera no maty tsy tra-drano notifirin’ny dahalo teo amin’ny tendany. Teo ampiomanana hamonjy sasakalin’ny krismasy ity tovovavy ity sy ny fianakaviany no tonga tampoka ny dahalo 20 mahery nanafika tao an-tranony. Saika handositra ity tovovavy ity no notifirin’ny dahalo teo amin’ny tendany. Raha ny vaovao voaray dia, tokan-tranona mpampiantra iray ao Mahabibokely ao tampon-tanànan’i Mahabo no voatafika, ka lasan’ny malaso tamin’izany ny omby miisa 27 sy entana maro.

 Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici