- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversMahabo : Tra-tehaky ny polisy ireo enin-dahy nanafika ny Lisea Resaotsy

Mahabo : Tra-tehaky ny polisy ireo enin-dahy nanafika ny Lisea Resaotsy

Tra-tehaky ny Polisy omaly maraina, ireo enin-dahy nanafika ny lisea Resaotsy Mahabo, Distrikan’i Menabe, ny zoma lasa teo. Raha tsiahivina ny zava-nisy dia nisy namaky io toeram-pianarana io ka very tamin’izany ny “tablette” 32 fampiasan’ny mpianatra. Taorian’ny fanarahan-dia sy fandraisana an-tànana ny toe-draharaha nataon’ny polisy anefa, dia tra-tehaka ireo olon-dratsy. Mbola porofo azo tany amin’izy ireo, ny enina tamin’ireo “tablette” nangalariny. Raha ny fanazavana voarainay hatrany, dia mpianatra tao amin’io lisea io ihany ny roa tamin’ireo jiolahy ireo. Ny roa ambiny kosa dia mpianatry ny CEG, ny iray ao amin’ny sekoly tsy miankina iray ao amin’ny faritra misy ny lisea Resaotsy ihany ary ny iray farany dia olon-tsotra. Nandritra ny fisavana nataon’ny polisy azy ireo no nahafantarana, fa nitondra moara telo ihany koa ireto andian-jiolahy ireto, nentiny nanatanterahany ny asa ratsiny. Efa mipetraka eo anivon’ny polisy ankehitriny ny raharaha ka andrasana izay mety ho tohiny. Misokatra ihany koa ny fanadihadiana mikasika ny nahazoan’ireto mpianatra mpamaky trano ireto ireo moara.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici