- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversMahabo : Zandary roalahy nataon’ny dahalo takalonaina, 7 tapitrisa Ariary sy omby...

Mahabo : Zandary roalahy nataon’ny dahalo takalonaina, 7 tapitrisa Ariary sy omby 16 vao navosotra

Sahy ny olon-dratsy ankehitriny. Zandary roalahy nataon’ny dahalo takalonaina tao Ankilizato Distrikan’i Mahabo, ka rehefa nandoa vola 7 tapitrisa Ariary sy omby 16, afak’omaly hariva, vao navosotr’ ireo malaso ireto mpitandro filaminana ireto niaraka tamina olona folo mianaka takalonaina izay zaza ama-behivavy avokoa. Araka ny tati-baovao voaray avy amin’ny Depioten’i Mahabo Raveloson Ludovic, dia nanafika tao an-tanànan’Ankilizato ireto malaso mitam-basy ny alin’ny alahady teo, ka olona manana omby maro tao an-tanàna no nokendren’ny dahalo tamin’io, saingy tsy azon’izy ireo ny omby. Tezitra ireo mpandroba ka naka zaza amam-behivavy miisa 10 mianaka nentin’ izy natao takalonaina. Rehefa nahazo fampandrenesana ny Zandary valo lahy dia nanainga niaraka tamin’ny Fokonolona, hanaradia hanavotra an’ireo takalonaina.

Lasa ny “Kalach” roa. Tratry ny velampandriky ny dahalo anefa ireto mpanaradia, ka tafalatsaka anelanelany ary raikitra ny fifampitifirana. Be noho ny vitsy, nitsoaka samy nanavotr’aina ireo mpanaradia, ka tavela teo ny Zandary roa lany bala, ary voasambotry ny dahalo ka nanampy isa an’ ireo takalonaina teo ampelan-tanan’ ireo malaso. Nalain’ireo dahalo ny akanjo teny amin’ ireo Zandary roa niaraka tamin’ny basy “Kalach”-n’izy ireo. Ny findain’ireto Zandary takalonaina ireto ihany no nampiasain’ireo dahalo, nitakiana vola natao tambin’ny famotsorana ireo Zandary sy ireo folo mianaka takalonaina. Vola 25 tapitrisa Ariary no notakian’ireo dahalo an-telefaonina tany amboalohany. Rehefa nandeha ny fifampiraharahana nisy, dia 7 tapitrisa Ariary no nefaina ny talata hariva teo, niampy omby miisa 16 vao navotsotr’ireo dahalo izy 12 mianaka. Araka ny loharanom-baovao voaray, dia mbola manaraka fitsaboana noho ny ratra mafy nahazo azy ireo Zandary roa takalonaina votsotra.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici