Tafiditra ao anatin’ny “Opération Mandio” ataon’ny zandarimariam-pirenena ny hetsika ahitam-bokatra toy izao. Basy vita gasy roa miampy fitaovana maromaro fanamboarana basy no saron’ny zandary tao amin’ny kaominina Mahaiza distrika Betafo. Ity faritra ity izay tena ifamezivezen’ny basy vita gasy tokoa ka tsy mahagaga raha anjakan’ny tsy fandriampahalemana. Vaovao azo avy tamin’ olona tsara sitra-po no nahafantarana ny fisian’ireo basy ireo, hoy ny kaomandin’ny kaompania Mandoto ny Cap Rakotoarimanana Jaona Marika. Taorin’ny fanadihadiana, niroso tamin’ny fisavana ny zandary ka sarona tamin’izany ny basy vita gasy roa, niampy Calibre 12 iray. Taorian’ny famotorana anefa, voamarina fa misy taratasy ara-dalàna ny tompon’ilay manana Calibre 12 ka naverina taminy ny basiny. Notazonina kosa ny iray ; izay nahitana basy roa sy fitaovana maromaro fanamboarana basy. Nanamarika sy manentana ny olona manana basy tsy ara-dalàna ny kaomandin’ny kaompania ao Mandoto mba hamerina izany any amin’ny mpitandro filaminana mandritra izao volan’ny famotsoran-keloka ho an’ny fitazonana basy tsy ara-dalana izao. Mitohy kosa ny « Hetsika Mandio » ataon’ny zandary ka ao amin’ny kaominina Manapa no misy ireo mpitandro filaminana manatanteraka izany amin’izao.
Andry N.