Nisehoana fanakanan-dalana indray tao Mahaiza Betafo, fiara nitondra mpiantsena no lasibatra tamin’izany ka lasan’ireo jiolahy ny vola 1 tapitrisa ariary.
Jiolahy manodidina ny 20 lahy mirongo fiadiana no voalaza fa nanao ity fanakan-dalana ity tamin’ny zoma 21 aogositra lasa teo. Araka ny loharanom-baovao dia nafatotr’ireo jiolahy avokoa ny mpandeha rehetra, nosavainy tsirairay avy eo ary tapitra norobainy rehefa azo nalaina. Ankoatra izay, nalain’ireo jiolahy koa ireo entam-barotra rehetra tao anaty fiara. Olona iray no fantatra fa naratra mafy fa novonoin’ireo jiolahy, tsy fantatra mazava kosa ny tena antony namoany ity mpandeha iray ity. Tsy milamina mihitsy iny faritra iny amin’ny resaka asan-jiolahy. Saika isan’andro no ahenoina izany, toy ny halatra omby, fandrobana tanana sy ny herisetra hafa.
Andry N.