
Nokasaina haondrana any ampitan-dranomasina ity ankizivavikely 12 taona ity ary efa nisy mihitsy ny olona vonona hividy azy. Saingy angamba tsy raikitra ka nitadiavan’ireo mpangalatra azy mpividy teto an-toerana. Ny andron’ny alatsinainy teo dia vehivavy roa voalaza fa mpangala-jaza no tra-tehaky ny polisy teny Amborovy Mahajanga, taorian’ny vela-pandrika natao azy roa vavy. Araka ny fampitam-baovao avy an-toerana dia tonga teo an-tampon-tananan’i Mahajanga izy, milaza fa hitady mpividy amina zavatra iray, izay miteti-bidy amina miliara maro. Niainga avy any Marovoay avy any izy ireo tamin’izay. Rehefa nandeha anefa ny fanadihadian’ny mpiara-monina dia fantatra fa ankizivavy kely ity nokasain’izy roa vavy hamidy ity. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa hoe efa nisy olona vonona ny hovidy mialoha io zaza io ary efa nokasaina haondrana mihitsy aza, saingy tsy fantatra izay zava-niseho ka io nifampitadiavan’izy ireo mpividy tao an-toerana io. Nisy avy hatrany moa ny nampandre ny polisy ny amin’ny fikasan’izy roa vavy ireto ka napetraka avy hatrany ny velam-pandrika, hisamborana azy ireo sy hanavotana ilay ankizy. Anisan’ny tao anatin’ny velam-pandrika ny mody hilaza ho mpividy hoy ny polisy tany an-toerana. Raikitra tamin’ny vidiny telo miliara ariary ikay ankizikely ary natao ny fifanatonana. Tamin’izay no noraisim-potsiny ireto mpivarotr’olona sy mpangala-jaza ireto. Nosamborina sy nentina nihazo avy hatrany ny biraon’ny polisy ho amin’ny famotorana azy. Avotra soa aman-tsara teny am-pelan-tanan’izy ireo ihany koa ilay zaza araka ny fantatra. Ao anatin’ny fanadihadiana lalina tanteraka mahakasika ity raharaha ity moa ny avy eo anivon’ny sampandraharan’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona izay miandraikitra ny raharaha amin’izao. Heverina fa tsy hijanona amin’ny fisamborana azy roa vavy ireto ihany ny raharaha fa mbola hitohy hatrany amin’ireo izay mpividy. Maro mantsy ny mihevitra fa mety hoe fa tambajotra goavana ity fivarotan’olona sy hala-jaza ity.
m.L



