- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Efa-dahy ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana, voasambotry ny polisy

Mahajanga : Efa-dahy ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana, voasambotry ny polisy

Jiolahy efatra rain-dahiny nokarohina efa ela, izay malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana, vono olona, fanendahana, ary vaky trano, izay nampiaikaika ny mponina maro tao Mahajanga, indrindra ny ao amin’ny Fokontany Tsararano Ambony, Tsararano Nosikely, Ambalavola, Fiofio, . . . no saron’ny polisy, afak’omaly, niaraka tamin’ny entana nangalariny sy ny vehivavy iray nampiantrano azy ireo teny amin’ny Cambil Port. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana, dia nandroba lehilahy iray nitondra moto teny amin’ny bizo Fitim i Tsôlô sy ny namany, ny 8 jona teo. Voatsindrona antsy ilay rangahy tompon’ny moto ka naratra mafy. Tadidin’ity raim-pianakaviana voatafika ny endriky ny iray tamin’ireo jiolahy, ka nanomboka teo ny hazalambo tamin’ny fikarohana an’ireo olon-dratsy. Raha ny fanazavana azo, dia gadralava sady mpamerin-keloka tsy mety fay i Tsôlô lehiben’ireto jiolahy, raha misy mbola tsy ampy taona kosa ny ekipany miara-mandroba aminy. Raha vao fantatr’ ireo olona lasibatra fa voasambotra ireto jiolahy ikoizana, dia nanao tohi-vakana sy nirarakopana ny fitoriana voarain’ny Polisy, ankoatry ny dosie telo efa miandry sy nanenjehana ary nikarohana an’ireto jiolahy hatramin’izay.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici