- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversMahajanga : Nanao be midina ireo zandary, tsy nisy hena nahazo nivoaka...

Mahajanga : Nanao be midina ireo zandary, tsy nisy hena nahazo nivoaka ny tao amin’ny “abattoir”

Sadaikatra avokoa ny rehetra raha nahatsikaritra fa tsy nisy hena vaovao mihitsy teny an-tsena androany. Nadiodio ireo latabatry ny mpivarotra, raha nisy aza dia ireo hena tsy lany omaly avokoa. Araka ny fanazavana azo dia noho ny fisavana tampoka nataon’ireo zandary ny alarobia lasa teo no antony nampihantona ny famonoana omby teto Mahajanga. Voalaza mantsy fa tsy misy manara-dalana avokoa ireo omby vonoina ao amin’io “abattoir” eto an-toerana io. Rehefa natao io fanamarinana dia hita fa nahatratra hatramin’ny 30 ireo FIB tsy ara-dalàna, saika tsy misy ny anaran’ny tompon’omby daholo. Lalàna manankery no manery anay hanao ny asanay, hoy ireo zandary ka tsy maintsy ampiharina ny sazy raha toa ka misy ny tsy fanarahana izany.

Ny marainan’ny alakamisy ihany dia tsy nisy omby navela navoaka tao amin’ny “abattoir”. Nisy ihany anefa ireo nihoa-pefy ka namono omby miisa roa, izay nampiteraka disadisa teo amin’ireo tompon’omby sy ireo tompon’andraikitra. Eny fa na dia tonga teny an-tsena aza ireo hena ireo dia voatery noraofin’ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny sampandraharaha misahana ny fiompina teto an-toerana sao tsy azo antoka matoa tsy nisy fanamarinan’ny mpitsabo veterinera.

Tantely Vandriam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici