mercredi, avril 23, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Nosamborina fa namboly rongony an-trano

Mahajanga : Nosamborina fa namboly rongony an-trano

Nokolokoloina toy ireny voninkazo ireny mihitsy ireo zava-mahadomelina. Natsofoka anatin’ny fitoerany tsara tarehy ary dia nitsimoka tsara tokoa ireo rongony tsara karakara. Tovolahy iray, 31 taona, izay monina ao Tsararano-Mahajanga no tompon’antoka tamin’ity fambolena hafakely ity. Tonga teny am-potontsofin’ny polisy ihany anefa ny zava-misy. Nahazo alàlana avy amin’ny fampanoavana izy ireo hanatontosa ny fisavàna trano. Inona tokoa fa rongony anaty fitoeram-boninkazo izay miisa 71 no sarona tao. Tsy vitan’izany fa mbola nisy koa fitaovana famonosana sy fandanjana rongony sy héroïne tao. Mazava izany fa sady mpamboly no mpivarotra no koa mpidoroka ilay lehilahy. Nitohoka tamin’ny tendany avokoa ny porofo ary dia noraisim-potsiny ary nanokafana fanadihadiana avy hatrany noho ireo antony ireo. Maromaro izay tratra namboly rongony na anaty trano na eo an-tokontany izay tato ho ato. Ary saika an-drenivohitra avokoa ireo olona mikirakira an’izany no sady tena betsaka ny fototra nambolen’ireo. Izany hoe efa mizotra any amin’ny fivarotana ny tanjona.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici