- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversMahajanga : Orinasa alemana, notafihana jiolahy mirongo basy

Mahajanga : Orinasa alemana, notafihana jiolahy mirongo basy

Nihorohoro indray ny tao an-drenivohitr’i Boina tao ny alakamisy lasa teo. Orinasa lehibe iray, tantanina teratany alemana no notongavana jiolahy teo nirongo basy. Vokany, naratra mafy voafira sabatra ity teratany vahiny ity. Entana sarobidy maromaro kosa no lasan’ireo olon-dratsy tao an-toerana. Araka ny fampitam-baovao azo dia io alakamisy io, vao maraim-be tokony ho tamin’ny 2 ora tany ho any, no nitranga ity fanafihana ity. Tao an-toerana ity tompon’ny orinasa ity, ka avy hatrany dia niantefa teny aminy ny fandrahonan’ireo olon-dratsy. Mba haneren’ireto farany an’ity vahiny ity hamoaka ny vola rehefa dia nofirain’izy ireo tamin’ny sabatra teny an-tanan’izy ireo ilay teratany alemana. Tsy nahitana lelavola anefa tao amin’ity orinasa voatafika ity, ka hany herin’ireo jiolahy dia nibata ireto entana elektrônika sarobidy tao, toy ny solosaina, ny fahitalavitra, ny “camera” ary ireo finday avo lenta tao. Tsy nisy nahita, tsy nisy nahare ity fanafihana ity. Raha ny fantatra mantsy dia tsy nisy afa-tsy ity alemana ity irery no tao an-trano tamin’io fotoana io. Nentina notsaboina haingana moa ity vazaha naratra ity. Efa eny am-pelatanan’ny zandary any an-toerana moa ity raharaha ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici