- Publicité -
mercredi, juin 25, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Orinasa fanamboarana kidoro nirehatra

Mahajanga : Orinasa fanamboarana kidoro nirehatra

Nitrangana hain-trano nahatsiravina indray tao an-tampon-tanànan’i Mahajanga, afak’omaly hariva tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany, tao amin’ny fokontany Mazava huile, ka orinasa fanamboarana kidoro spaonjy iray no kila tsy nisy azo noraisina ny entana rehetra niampy ireo fitaovana famokarana spaonjy, tao amin’ity orinasa ity. Na dia nalaky tonga aza ny mpamonjy voina, dia naharitra ora roa sy sasany vao maty ny afo. Raha ny fanazavan’ny mpitantana ity orinasa ity, dia « court-circuit » no nahatonga ny firehetana izay nalaky tokoa noho ireo spaonjy. Hatreto raha ny tati-baovao azo hatrany, dia tsy mbola voafaritra ny teti-bidin’ny fahavoazana ho an’ity orinasa nisehoana fahamaizana ity. Noho io firehetana io, dia tapaka nandritra ny ora maromaro ny herinaratra teny amin’ny manodidina, vokatry ny loza.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici