- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Sakoroka tao amin’ny Oniversité, mpianatra telo voasambotra

Mahajanga : Sakoroka tao amin’ny Oniversité, mpianatra telo voasambotra

Nirefodrefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso tao an-drenivohitr’i Boina tao. Tetsy andaniny ireo mpianatry ny oniversiten’i Mahajanga, mivondrona eo anivon’ny Bdeum, izay nidina an-dalambe sy nanakana ny lalam-pirenena fahefatra tamin’ny alalan’ny doro kodiarana. Tetsy ankilany kosa ireo mpitandro ny filaminana avy eo anivon’ny Emmo/reg izay nirotsaka an-tsehatra teo anatrehan’ity tranga, izay sokajian’izy ireo fa tsy fanarahan-dalana sy fanembatsembanana ny fiainana andavanandron’ny mponina ity. Vokany, nisy mpianatra telo, izay lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ity fikambanan’ny mpianatra ity, voasambotr’ireo mpitandro filaminana. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia efa hatramin’ny alatsinainy teo ireto mpianatra ireto no niverina nidina an-dalambe indray, nanao ny fitakian’izy ireo. Nitohy hatramin’ny omaly io hetsika io, ary nihamafimafy satria dia io niafara tamin’ny fanakanana ny lalam-pirenena fahefatra tamin’ny alalan’ny kodiarana nodorana teo Antanimalandy. Tapaka nandritra ny fotoana maromaro mihitsy iny lalana miditra ny renivohitr’i Boina iny tamin’io fotoana io ka nahatonga ireo mpitandro filaminana nandray fepetra, niezaka ny nandamina ireto mpianatra. Tsy nanaiky izany anefa ireto farany fa vao mainka aza namaly bontana ny fihetsik’ireto miaramilan’ny Emmo, tamin’ny alalan’ny tora-bato variraraka. Voatery naparitaka tamin’ny alalan’ny entona mandatsa-dranomaso araka izany ireto mpitokona. Raikitra teo ny sakoroka ary nisy mihitsy ny fifanenjehana hatrany anaty ala-manga rehetra tany ary nitohy hatreny amin’ny faritra misy ny oniversite. Tamin’izay no nahasamborana ireto mpianatra telo ireto. Marihana fa ambonin’ireto farany dia efa nisy mpianatra telo hafa ihany koa nosamborina ny alatsinainy teo saingy efa navotsotra. Voalaza hatrany moa ny tsy faneken’ireo mpianatra ireto hanombohana ny fampianarana any an-toerana no fototry ny fitakiana. Milaza mantsy izy ireo fa tokony hampidirina amin’ny trano aloha ny mpianatra vao hatomboka izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici