- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversMahajanga : Tantsambo hita faty tao anaty sambo

Mahajanga : Tantsambo hita faty tao anaty sambo

Tatsambo mbola tanora vao erotrerony, 20 taona raha araka ny vaovao azo avy any Mahajanga, no hita faty tao anaty…sambo, ny alahady lasa teo. Avy any Maintirano ilay sambo izay nitondra hazo voamboana ary nigadona tao Mahajanga tamin’io andro voalaza etsy ambony io, niaraka tamin’ny mpanamory sy ny mpiasa rehetra anaty sambo. Nisy olon-kafa ihany koa nentin’ity sambo ity. Efa teny ambony ranomasina izy no somary efa niteny fa tsy metimety loatra. Toe-javatra izay efa mpahazo ny tatsambo ihany izany, irony antsoin’ny vahiny hoe “mal de mer” irony, hany ka tsy dia nanaitra loatra ny olona niaraka taminy. Ny fianakaviany indray dia nilaza fa efa mpahazo azy matetika ihany ny aretina, izany hoe efa taizan’aretina ity tatsambo ity. Ireo mpiara-miasa aminy dia nanazava fa nandoa matetika izy nandritra ny dia. Nahatalanjona ihany fa rehefa tonga ny sambo dia nisy hafa ihany koa voatery naiditra tao amin’ny hopitalin’Androva ary efa tsy dia misy ahiana intsony ny amin’ny ain’izy ireo. Inona ny nahazo ireto tatsambo ireto?

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici