- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Teratany komorianina raha nikasa hanondrana rongony any Comores

Mahajanga : Teratany komorianina raha nikasa hanondrana rongony any Comores

Milanja 16 kilao mahery  ireo rongony nokasaina haondrana ireo. Ny zoma lasa teo no saron’ny mpiasan’ny fadin-tseranana teto Mahajanga ilay tovolahy. Fomba hafa mihitsy no saika hanondranana ireo zava-mahadomelina. Nandrasan’izy ireo ny sambo farany amin’ireo telo nandeha tamin’io zoma io no saika hanondranana ireo rongony. Natao tao anatin’ny tavoahangy na “bouteil à gaz” ary nalefa toy ny « colis » rehetra alefa any Kaomoro. Tsikaritry ny mpiasan’ny fadin-tseranana avy hatrany nefa ny fihetsika hafahafa nataon’ireo tovolahy, teo ihany koa ny fahitana ilay tavoahangina « gaz » mivohitra teo am-pivoany rehefa notapahana sy natao “soudure” ka nolokoina maitso ihany. Ireo no nanintona azy ireo hanao ny fisavana ka vaky nandositra avy hatrany izy ireo taorin’izay.

Roa lahy izy ireo no nikasa hanao izao teti-dratsy izao. Rehefa raikitra ny fanenjehana, ny iray tratra ary ny iray hafa tafaporitsaka ka mbola karohana hatramin’izao. Matotra ny fiaraha-miasa teo amin’ireo polisim-pirenena sy ireo mpiasan’ny fadin-tseranana tamin’ny fahatrarana ireto zava-mahadomelina ireto, satria samy nandray ny anjara tandrifiny ny tsirairay avy ka nahazoana ny vokatra.

Nohamafisin’ny mpitantana vaovao ny fadin-tseranana eto Mahajanga Atoa Zafisolo Max, fa ho hentitra hatrany ny fisavana hataon’ireo ekipa rehetra manomboka eto. Tsy hoe gaboraraka hoy izy ny taloha fa hamafisina ny fomba fiasa mba hisian’ny mangarahara sy fampiharana ny lalàna velona amin’ireo izay fantatra fa manao ny tsy mety.

Voararan’ny lalàna velona eto Madagasikara : ny fifohana, ny fivarotana, ny fampiasana sy ny fanondranana ny rongony ary misy ireo sazy mifandraika amin’izany. Omaly no natolotra ny fitsarana io tovolahy teratany komorianina io, ary fantatra fa nampidirina am-ponja vonjimaika  eny amin’ny fonja fanarenana Marofoto Mahajanga izy.

Tantely Vandriam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici