Teratany vahiny iray nandeha nitsangantsangana irery teny amin’ny toerana antsoina hoe “Cirque Rouge” Amborovy Mahajanga no notafihan’olona tsy fantatra. Araka ny filazany, nitafy lamba mainty, nisatroka maitso ary nitondra famaky ireo nanafika azy. Tsy afaka nanao na inona na inona ity vazaha ity fa tsy maintsy nomena an’ilay mpanendaka ny zavatra rehetra teny aminy. Lasa ny caméra niaraka tamin’ny fonony, fakantsary, vola 150 000 ariary, ny pasipaora ary “carte visa”. Rehefa avy eo, nitondra ny raharaha tany amin’ny mpitandro filaminana ilay niharan’ny endaka. Nisy ny fanadihadiana nanomboka teo ary ny zandary avy ao amin’ny seranam-piaramanidina no misahana izany. Lasibatra amin’izao fotoana fotoana ireo vazaha mandeha irery amin’ny toerana somary mangina, tsy any Mahajanga ihany fa saika manerana ny faritra maro. Tsy ny vazaha ihany koa anefa, fa mitondra faisana avokoa ireo olona sendra lalana mangina.
r.s.