- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Vazaha nandoto ranomasina, saika novonoin’ny olona

Mahajanga : Vazaha nandoto ranomasina, saika novonoin’ny olona

Kely monja sisa dia saika niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka ny raharaha. Ny olona rahateo efa sorena tamin’ny fisian’ny fahafatesana nisesisesy tao an-toerana, vokatry ny loza an-dranomasina tao anatin’ny andro vitsivitsy nifanesy, hany ka nandrangitra avy hatrany ny fihetsik’ilay teratany vahiny. Toy izao ny zava-nitranga, nalainy ny “seau” fasiana rano ary nanaovany maloto. Teo mbola tsy nampaninona ny olona ihany, saingy ilay eritreriny sy fahasahiany nanary izany tao amin’ny ranomasin’ny “petite plage” no avy hatrany dia niteraka hatezerana. Nisy nahatsikaritra izany ary nivoaka haingana tao anaty ranomasina. Tao anatin’ny segaondra vitsy monja dia efa tsy nisy olona intsony nilalao rano sy nilomano tao an-dranomasina. Niandry ilay vazaha hivoaka avy tao anaty ranomasina ny olona marobe ary efa saika nizotra nankany amin’ny fitsaram-bahoaka ny raharaha. Tezitra ny olona ! Raha tsy nisy ireny mpanara-maso ny tora-pasika ireny, dia asa izay nitranga. Io no nitondra azy niala haingana teo an-toerana ary nitondra azy tany amin’ny mpitandro ny filaminana. Tsy mbola nisy nahay hatreto izay tena eritreritr’ity vahiny ity. Faniratsirana ve sa fanambaniana? Isan’ny mahasarotiny ny olona ny fanajana ny fady amin’ny ranomasina ary ny tsy fanarahana izany aza matetika no heverina ho anton’ny fisian’ny loza an-dranomasina. Ny vahiny matetika, na samy Malagasy aza, dia mifanontany ny fady izay vao mahasahy miroboka an-dranomasina. Ny an’ity vazaha ity indray, dia niroboka avy hatrany izy ary ny zavatra faran’izay fadian’ny olona no nataony…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici