- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversMahajanga : Vehivavy 2 niara-maty nohitsahin’ny kamiao

Mahajanga : Vehivavy 2 niara-maty nohitsahin’ny kamiao

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona tsy manan-tsiny indray tany Mahajanga omaly. Vehivavy roa no niara-maty voahitsaky ny fiarabe iray mpitatitra vato tao Belobaka, ka maty tsy tra-drano ny ramatoa iray manodidina ny 35 taona, rehefa tonga tany amin’ny hopitaly Loterana kosa no namoy ny ainy ny iray faharoa. Raha ny fantatra dia nanana olana mekanika, tapaka “rotule” tampoka ity kamiao nahavanon-doza, ka nanitsaka an’ireto renim-pianakaviana roa nandeha tamin’ny sisin’ arabe. Araka ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, tato anatin’ny roa andro izao, dia lozam-pifamoivoizana telo samihafa no niseho tao Mahajanga tampon-tanàna izay namoizana ain’olona efatra. Afak’ omaly tolakandro, raim-pianakaviana iray no maty nodomin’ny “bus” teo amin’ny Sotema, ary ny anio alina ihany koa, rangahy iray nitondra “moto” nandeha mafy no maty nianjera raha niala lalan-dratsy tampoka tao Ambalavola.

Eric Manitrisa

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici