- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Zaza roa nilalao teo an-tokotany nisy nangalatra

Mahajanga : Zaza roa nilalao teo an-tokotany nisy nangalatra

Ramatoa efa lehibe, maherin’ny enimpolo taona, no nangalatra zazakely roa nilalao teo an-tokotany. Raha araka ny fanazavan’ny zandary dia notambatambazany ireo zaza ary nentiny niaraka taminy nony avy eo. Ny alatsinainy lasa teo, amin’ny andro antoandrobe nanahary no nisehoan’ilay asaratsy. Nanao ny fampilazàna tamin’ny zandary ny ray aman-drenin’ireo zaza ary nanomboka teo ny fikarohana. Ny ampitson’iny, izany hoe ny talata lasa teo, dia nisy nampandre ny mpitandro ny filaminana fa misy ramatoa hafahafa izay mitazona zaza ary mampiahiahy. Nanao ny fizahana ny toerana ireo mpanao fanadihadiana ary tena nitombina tokoa fa nisy ramatoabe nitazona zaza roa tao aminy. Natao ny fisamborana ary notazomina avy hatrany ao amin’ny biraon’ny zandary ilay mpaka an-keriny ary ireo zaza kosa efa naverina tany amin’ny ray aman-dreniny. Inona no tanjon’ilay ramatoa ? Mihodidina amin’izany hatreto ny fanadihadiana izay nosokafan’ny zandary ao Mahajanga. Satria mbola tsy niantso ireo ray aman-drenin’ny zaza ilay ramatoa mba haka vola takalon’aina, dia mbola tsy voaporofo hatreto ny hoe kidnapping ny zava-nitranga. Samy manana ny heviny ny olona mandra-pivoakan’ny valin’ny fanadihadiana. Amin’izao fotoana tokoa mantsy dia manana heviny betsaka ny hala-jaza. Mety ho halatra taova, mety ho fanovàna ny anarany dia alefa any ivelany mba hatsangan’ny olona tsy manan-janaka. Efa nitranga avokoa ny toa izany. Fa ny tena atahorana dia ny hoe sao mba saika natao sorona. Marobe mantsy ny fombafomba – indrindra ho an’ireo olona mpitrandraka ka mino mora foana izay lazain’ny tompon-tany – izay mitaky sorona. Anjaran’ny mpanao fanadihadiana ny mamantatra an’izany fa tsy mba tsy hofitahin’ny mpangala-jaza fotsiny amin’ny hoe mba nahafinaritra azy fotsiny ireo zaza dia nalainy…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici