Tamin’ny herinandro lalsa teo no tratran’ny polisy avy ao amin’ny “Unité d’Intervention rapide” (UIR) teny Mahamasina ny lehilahy iray antsoina hoe Serba, niaraka tamina basy vita gasy iray. Rehefa nohadihadiana moa ity olona ity dia nilaza fa novidiany 100 000 ariary tamina olona tsy fantany teny Andavamamba io basy. Niditra lalindalina ny famotorana ka nilaza ilay lehilahy fa mpiambina no asany eny amin’ny faritra Ambohidratrimo ka izany no nividianany an’ilay basy hoentina hiarovana. Vaovao avy amin’olona tsara sitrapo no nahalalan’ny mpitandro filaminana ny amin’ity lehilahy ity. Rehefa nandeha teny an-toerana tokoa ry zareo, dia hita fa marina ilay vaovao ary afaka nisambotra ilay olona ry zareo. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ny tenany.
r.s.