- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversMahamasina : Nikasa hanolana ankizivavy kely

Mahamasina : Nikasa hanolana ankizivavy kely

Tovolahy iray nosamborin’ny pôlisy Soa ihany, tonga aloha ny pôlisy, raha tsy izany dia efa simban’ity tsy valahara ity ilay ankizivavy kely 12 taona. Nosamborina ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriboritany fahadimy avy hatrany ity farany, ny faran’ny herinandro lasa teo. « Tovolahy iray no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny CSP5 rehefa tratra saika hanolana zazavavikely tsy ampy taona. Ankizy vavy kely 12 taona no notazominy ary tsy navelan’ny nivoaka tao an-tranony ka saika nanamparany ny filan-dratsiny » araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. Raha mbola teo am-pikasana ny hanao ny asa ratsiny anefa ity farany no tsikaritry ny olona. « Nisy olona naheno izany anefa ka niantso ny Polisy ary tonga ara potoana ny Polisy ka avotra soamantsara ilay zaza vavy kely ». Nosamborina teo noho eo ihany ity tovolahy ity saika hanolana ity. « Nentina tany amin’ny biraon’ny Polisy miady amin’ny herisetra atao amin’ny zaza tsy ampy taona SCPMPM Anosy kosa ilay rangahy nanaovana fanadihadiana », araka ny fampitam-baovao azo hatrany. Mbola eo am-panaovana famotorana tanteraka moa ireo pôlisy amin’izao, ary aorian’izay no hanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici