- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversMahamasina : Sinoa dimy lahy, voarohirohy ho nanolana tovovavy

Mahamasina : Sinoa dimy lahy, voarohirohy ho nanolana tovovavy

Teratany sinoa dimy lahy, izay voarohirohy ho nitondra sy nampihatra filan-dratsy tamina tovovavy malagasy iray no voatery nentin’ny pôlisy nanaovana fanadihadiana, ny sabotsy lasa teo, teny Mahamasina. Antso vonjy sy hiakiaka no nanaitra ireo mponina teny amin’iny faritra Mahamasina iny, tamin’io maraina io, izay tokony ho tamin’ny enina ora tany ho any. Antso vonjina tovovavy, izay niainga tao amina hôtely lehibe iray teny an-toerana. Samy nirohotra nijery sy nitangorona tao amin’ny efitrano niavin’ilay antso vonjy moa ny rehetra nony avy eo. Nahazo antso nahakasika ity tranga ity ihany koa ny pôlisy ka tonga avy hatrany teny an-toerana. Nidirana avy hatrany ilay efitra ka tovovavy iray efa malemilemy sy an-dàlan’ny tsy fahatsiarovan-tena no hita tao. Izay mety ho vokatry ny zava-mahadomelina natsindrona azy, hoy ny fanazavana. Tsy fantatra na inona marina no zava-niseho na inona, fa ny hany nambaran’ireo nanatri-maso dia niaraka tamina lehilahy teratany sinoa vitsivitsy izy no niditra tao amin’ireo tranom-bahiny io. Hatreto araka izany, dia mbola tsy voamarina na efa niharan’ny filan-dratsin’ireto sinoa ireto ity tovovavy ity na tsia. Ny angom-baovao hafa ihany koa no nahafantarana fa mbola nahitàna zava-mahadomelina tao amin’ny efi-trano nisy azy. Nentina novonjena avy hatrany tany amin’ny tobim-pahasalamana moa ity tovovavy ity nony avy eo. Raha nentina nanaovana fanadihadiana kosa ireo teratany sinoa niaraka taminy, niaraka tamina vehivavy iray hafa. Efa betsaka tokoa amin’izao ny tovovavy mora voarebirebin’ny vola sy ny vahiny, ka tokony samy homailo sy hitandrina ny ray aman-dreny. Raha ho an’ity tovovavy ity izao dia tsy fantatry ny rainy akory ny zavatra nataony sy ny fomba nialàny tao an-trano, raha ny angom-baovao azo. Izy efa mivalampatra sy malemilemin’ny zava-mahadomelina, any anaty trano fandraisam-bahiny, miaraka amina lehilahy sinoa maromaro no hitany.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici