- Publicité SW45 -
jeudi, mars 20, 2025
AccueilFaits-DiversMahamasina : Sinto-mahery, rongony, loka : 23 no voasambotra 

Mahamasina : Sinto-mahery, rongony, loka : 23 no voasambotra 

Fikambanan-jiolahy, filokàna an-dalambe, fanaovana sinto-mahery. Nahatratra 23 ireo olona voasambotra tao anatin’ny hetsika iray monja izay natao ny alatsinainy teo teny Mahamasina sy ny manodidina (Anosibe, Paraky sns). Nampanaovina fanamiana sivily ireo polisy avy ao amin’ny kaomisaria Mahamasina ary nitsirika sy nijoko ireo olona. Nahitam-bokany ilay paik’ady satria tsy nampoizin’ireo mpanao ratsy izay mian-dahy miam-bavy izany. Tao ny mbola teo am-pifohana rongony, tao ny miloka karatra sy Ludo eny an-dalambe, tao koa ny teo am-panendahana olona. Voasambotra avokoa izay nandalovan’ny polisy izay nanao bemidina. Hetsika manao fanamiana sivily toa izao dia matetika misy vokany tsara hatrany amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy sy famerenana ny fandriam-pahalemana. Manana mpitsirika koa mantsy ny olon-dratsy ary vetivety dia manjavona toa ny voalavo raha vao mihanahana ny saka. Raha mitohitohy ny bemidina toa izao isaky ny boriborin-tany dia antenaina fa ho lefy tsikelikely ary tsy sahy ny hivoaka intsony ny jiolahy mandritry ny fotoana maharitra. Mila midina anaty elakelan-trano rehetra any ny mpitandro ny filaminana raha tena te-hahita ny fiainan’ny olona mba hahafahana manavaka ny olon-tsotra sy ny jiolahy ary mandrindra ny filaminam-bahoaka. 

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici