Afak’omaly tokony ho tamin’ny 5 ora hariva teo ,no nitrangan’ity lozam-piarakodia ity , teny amin’ny faritr’i Mahamasina iny. Araka ny loharanom-baovao voaray, dia voalaza fa taksibe no nandona ankizivavy kely iray ,teny an-toerana. Vokatr’izany , tapaka ny tongotr’ity ankizivavy ity ka dia nentina avy hatrany teny amin’ny Hjra. Ny vaovao hatrany no nahafantarana, fa mbola nitondra mpandeha maro ity fiara taksibe ity, ary diso nandeha mafy loatra izy , ka izay no voalaza fa niteraka ny loza. Vantany vao voadona ity mantsy ity zatovovavy ity, dia nijininika ny rà, nameno ny arabe teny Mahamasina. Voalaza ihany koa fa tsy afaka namindra intsony ny tongotrany , izay tsy fantatra na diso mafy loatra ny dona nahazo azy ity , na ahoana ? Nanambara hatrany ireo nanatri-maso, fa vao nahavanon-doza ity mpamily sy mpanampiny, dia nitsoaka avy hatrany. Tsy nanaiky mora kosa ireo fokonolona izay nahita , fa nanenjika haingana an’ireto nahavanon-doza ireto. Tratra ihany anefa ilay mpamily sy ny mpanampy azy nony farany , ka nanaiky avy hatrany ny hanaraka an’ity marary , ary nanaiky ihany koa handoa izay vola lany rehetra sy mbola ho lany eny amin’ny hopitaly. Sambany mba tsy nahitana fitsaram-bahoaka tamin’ity indray mitoraka ity, fa dia navelan’ireo fokonolona mora ihany ireto farany.
FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)