- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversMahambo : Fihinana soka-dranomasina nisy poizina, tafakatra enina ny maty

Mahambo : Fihinana soka-dranomasina nisy poizina, tafakatra enina ny maty

Efa manao ny fanadiadiana rehetra mikasika ilay fividianana sokatra an-dranomasina azona mpanjono iray tao Mahambo ireo zandary eo anivon’ny kaompanian’ny zandary ao Fenerivo atsinanana ankehitriny, mba entina hamantarana ny tena anton’ny loza vokatry ny fahapozinana tao Mahambo izao. Raha ny angom-baovao farany teo anion’ny hopitaliben’i Fenerivo Atsinanana, izay nohamagisin’ny lehiben’ny tobim-paritry ny zandary analanjirofo, dia tafakatra 18 ireo olona niditra hopitaly tamin’izao raharaha fahapozinana vokatry ny fihinana sokatra an-dranomasina izao, ka tafakatra 06 ireo maty izay zaza sy ankizy ny 5 tamin’izany, raha olon-dehibe efa zokiolona kosa ny iray tamin’izany. Ireo 12 mbola tsaboina kosa raha ny filazan’ny mpitsabo dia misy fivoarana be ny fahasalaman’izy ireo. Nomarihan’ny zandary manao ny fanadiadiana ao Mahambo ihany koa dia nisy tamin’ireo olona sasany nihinana ity sokatra an-dranomasina ity no tsy naninona nandritra izany, saingy ho fisorohana izay mety hitranga dia nisy ny famporosihana azy ireo hanantona toeram-pitsaboana mba hijery ny toe-pahasalamany ihany. Misy ihany koa mandritra izao fanadiadiana ifotony hataon’izy ireo izao ny fiaraha-miasan’ireto zandary amin’ny sampan-draharahan’ny joro analanjirofo ho fampahalalana ny olona sy ny mpanarato ireo hazandranomasina tsy fihinana mihintsy amin’izao main-tany izao. Ankoatra izany, dia miatrika ny fakana am-bavany azy ilay mpanarato nahazo ilay sokatra an-dranomasina namidiny. Raha ny vaovao azo mantsy dia voarara ho an’ny fari-dranomasina Analanjirofo ny fanaratoana sokatra sy ny fihinana izany ary ny mamarotra azy; saingy nandika lalan’ny jono eto amintsika ity mpanarato ity ka izao nitera-doza izao. Ho hita eo izay ho tohin’izao raharaha izao…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici