Olona efatra amin’ireo jiolahy rain-dahiny mpamaky trano sy ny mpangalatra no voasambotry pôlisy avy ao amin’ny fitalevam-paritra ao Boeny ny alarobia lasa teo.
Nampikaikaika ny mponina tokoa ny firongatry ny vaky trano sy ny halatra anaty fiara tao ho ao tany an-drenivohitr’i Boeny. Indrindra fa tamin’ny faritra maromaro, tao Tsararano Ambany, Jirama Amboaboaka, Mahabibo, Vy Lava sy Abattoirs iny. Tsy vita ireo olona no efa lasibatra’ireo mpangalatra, antony nahatonga ny pôlisy tany an-toerana, tsy hikely soroka hiady sy hamongotra izany tsy fandriam-pahalemana izany.
Ny alarobia lasa teo dia nisy ny fisafoana sy ny fidinana ifotony tany amin’ireo faritra voalaza ireo, ka tamin’izany no nahatratrarana ireto andian-jiolahy ireto. Ny sasany amin’izy ireo moa dia efa tsy zoviana amin’ireo mpitandro filaminana intsony, satria dia efa mpamerin-keloka raha ny fampitam-baovao azo. Ny hafa kosa, natao sarika am-pandriana tany an-tranony, rehefa natoron’ireo namany. Tsy hijanona intsony fa mbola hitohy hatrany ny fandravàna ireo andian-jiolahy ireo, hoy ny fanazavana azo ary ny tanjona dia ho famongarana tanteraka izany resaka tsy fandriampahalemana izany ao an-tampon-tananan’i Mahajanga ao.
m.L




