- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMahanoro - haitrano : Trano 30 lasa lavenona, vahoaka an-jatony tra-boina

Mahanoro – haitrano : Trano 30 lasa lavenona, vahoaka an-jatony tra-boina

Ny sabotsy misadratr’andro teo tokony tamin’ny 11ora dia nitrangana hain-trano ihany koa tao amin’ny ny fokontany Tanambao II kaominin’i Mahanoro amin’ny lalana mihazo ny “port fluvial”.

Araka ny vaovao nangonina avy any an-toerana dia zazavavy nahandro tao an-tranon’ny ray aman-dreniny izay tsy tao an-toerana tamin’io fotoana io tamin’ny arina, no niteraka ny hain-trano. Amin’ny maha-zaza azy dia nisy fotoana izy variana nilalao nefa nandritra izay indrindra no nahazo ny rindrina izay vita amin’ny vokatry ny tany ilay trano ary izao nihitatra izao. Vokany trano 30 teo no may kila forehitra tanteraka, manodidina ny 100 eo ireo tra-boina kila forehitra ny fananany. Raha ny angom-baovao hatrany dia naharitra adin’ny roa ny famonoana ny afo nifandrombonan’ny vahoaka teo an-toerana sy ireo manodidina; kaominina ambonivohitra anefa ny kaominin’i Mahanoro fa tsy mba manana ireny fiara mpamonjy voina sy hain-trano ireny hatramin’izay ka hatramin’izao. Tsy nisy aloha ny namoy ny ainy tamin’izany, fa ny naratra noho fahamaizana tamin’ny famonoana ny afo no nisy.

Ireo mpiara-monina sy ireo fianakavian’ny tra-boina kosa no miezaka mifanampy amin’ireto tra-boina tao Tanambao II Mahanoro ireto raha ny zava-nisy ny sabotsy sy omaly…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici